- Publicité -
lundi, juillet 21, 2025
AccueilFaits-DiversBeanana-Maevatanàna : Mpianaka lasan’ny rano, mbola tsy nisy hita

Beanana-Maevatanàna : Mpianaka lasan’ny rano, mbola tsy nisy hita

Tsy maintsy mandalo sy miampita reniranon’ikopa iray vao tonga ao amin’ny tanàna, ny mponina ao Anosimbolamena na ao an-tobim-bolamena, any amin’ny kaominina Beanana, ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Tsy nahasakana ity renim-pianakviana iray sy ny zanany lahikely vao fito taona, ny fiakatry ny rano noho rotsak’orana be loatra avy any Antananarivo. Ny andro raha teo efa miha maizina ka nikiry ihany izy mianaka ireto hiampita ny renirano. Voalaza fa, nisy olona hafa niaraka taminy fa ilay Ramatoa no nitari-dàlana sady nitrotro an’ilay zanany. Nahery vaika anefa ny renirano no sady namotaka ary tojo ireny ranon-trambo ireny izy mianaka ka zakan’ny rano. Niezaka nanavotra ihany ireto namany, saingy tsy nisy azo natao inona intsony. Nanomboka teo, dia nikaroka azy ireo ny fokonolona tao Beanana, saingy mbola tsy nisy hita aloha hatreto izy mianaka kely, hatramin’ny nanoratanay ny lahatsoratra. Raha ny filazan’ny loharanom-baovao hatrany, dia avy niasa volamena tany an-toby, hamonjy fiodina any Beanana izy mianaka ireto, ka izao tra-doza izao.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici