- Publicité -
lundi, juillet 21, 2025
AccueilFaits-DiversTaom-panondranana lodsia 2018 – 2019 : Namorona asa 450.000 sy mpanangom-bokatra 1.228 anatin’ny...

Taom-panondranana lodsia 2018 – 2019 : Namorona asa 450.000 sy mpanangom-bokatra 1.228 anatin’ny folo andro

Ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana Rtoa Yvette Sylla mihintsy no tonga teto Toamasina ny alatsinainy hariva tamin’ny  6ora teo, nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pihotazana lodsia amin’ny fanondranana amin’ny sambo misaritaka (conventionnelle) sy amin’ny alalan’ny kaontenera. Nandritra ny fitafany tamin’ireo mpandraharaha sy ireo mpanangom-bokatra ary ireo tantsaha no nahalalana fa namorona asa an-tselika anatin’ny folo andro olona miisa 450.000 ny taom-pihotazana tamin’ity taona ity; Nahatratra 1.228 kosa ireo mpanangom-bokatra nahaloa ny hetrany sy habany ara-dalana nahazo ny fahazoan-dalana manokana nanao izany teo anivon’ny faritra atsinanana tamin’ity taom-pihotazana 2018 – 2019 ity raha tsy nisy afa-tsy 850 monja izany ny taona nivalona iny. Araka ny fanazavan’ireo komandan’ny sambo Baltic Klipper izay efa miantsona eo anivon’ny “Mole B” ny seranan-tsambon’i Toamasina, dia manodidina ny dimy andro eo ny fiantsonan’izy ireo haka ny lodsia Malagasy ho entina any eropa izay manodidina ny 15 hatramin’ny 17 andro eo izy ireo no manao ny zotra Madagasikara – Frantsa amin’izany; midika izany fa folo andro ihany no taom-pihotazana amin’ity taona ity, na mbola misy amin’ireo mpandraharaha manao ny fanondranana amin’ny kaontenera aza manao izany hatramin’ny volana desambra ho an’ny tsena any Dubai sy ny firenena Arabo ary Japon. Amin’izao dia manodidina ny 1.200 ariary hatramin’ny 1.500 ariary ny ividianan’ireo mpandraharaha ny iray kilao amin’ny lodsia amin’ireo mpanangom-bokatra; ireo mpanangom-bokara kosa dia mividy izany manodidina ny 800 ariary hatramin’ny 1.000 ariary ny iray kilao arakaraka ny halaviran’ny toerana hanangonana izany. Ankoatra izany dia tsapa ihany ireo mpandraharaha sasany tsy nanaja ilay fe-potoana napetraka fa mbola zatra ny mangalatra fiaingana hatrany, tahaka ity mpandraharaha iray ao Salazamay atsimo ity izay efa ny alatsinainy maraina na tamin’ny 06 ora hariva ny alatsinainy aza ny fisokafany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici