- Publicité -
lundi, juillet 21, 2025
AccueilFaits-DiversAmbaninampamarinana : Fanafihana roa samihafa, nisy naratra

Ambaninampamarinana : Fanafihana roa samihafa, nisy naratra

Lasa ny devizy, ny vola gasy, ny solosaina, ny finday ary izay rehetra azo nobataina mora foana. Izany no nitranga tetsy amin’ny fokontany Tsimialonjafy ny maraim-ben’ny omaly. Manodidina ny tamin’ny efatra ora maraina ny jiolahy no nanafika tao amin’ny tokantrano iray. Naratra ny lehilahy tao anaty trano vokatry ny fifanjevoana. Tsy mifanalavitra teo koa, somary miakatra kely eo amin’ny 400 metatra, dia nisy fanafihana iray hafa, saingy mba tsy tontosa. Io indray dia henon’ny tompon-trano ny fiavian’ireo olon-dratsy ; izay efa nanomboka  namaky ny varavarana. Nahavita niantso ara-potoana ny zandary tetsy Ankadilalana izy ireo. Nahita ny fahatongavan’ireo mpitandro ny filaminana ny olon-dratsy, dia rifatra nitsoaka ary tsy nahazo na inona na inona. Nosokafan’ny borigadin’ny zandary etsy Betongolo ny fanadihadiana momba ireo fanafihana roa samy hafa ireo.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici