- Publicité -
mercredi, juillet 23, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN7 : Fanafihana taxi-brousse, jiolahy iray maty voatifitra

RN7 : Fanafihana taxi-brousse, jiolahy iray maty voatifitra

Tandahatra taxi-brousse, mihazo ny lalam-pirenena fahafito iny indray no saika lasibatry ny andian-jiolahy ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo, teo amin’ny PK277+600, toerana antsoina hoe Sampanana kariera, ao amin’ny fokontany Ivato Centre, distrikan’Ambositra. Araka ny fampitam-baovoa azo avy amin’ny zandary, tamin’io fotoana io dia nisy nametraka bolongam-bato ny arabe. Voatery nijanona araka izany ireo taxi-brousse maromaro teo anatrehan’izany. Niditra an-tsehatra niaro ireto fiara mpitatitra ireto kosa ireo zandary mpanara-dia, raha ny sasany niezaka nanala ireo vato. Tamin’izay fotoana izay anefa no niantefa tany amin’izy ireo ny tifitra variraraka narahana tora-bato, avy anaty kirihitra rehetra tany. Voatery niaro tena araka izany ireo zandary ary nitifitra ihany koa. Nijanona ny tifitra ary fantatra fa nanao tsoa-pe nandositra ireo jiolahy saika hanakan-dalana. Nizotra nilamina taorian’io ny dian’ireo fiara mpitatitra saika voatafika ireto. Tsy nisy naninona ireo mpandeha ary tsy nisy zavatra lasan’ireo olon-dratsy. Tonga teny an-toerana nanampy ireto namany rahateo ihany koa ny zandary avy Ivato Centre tamin’io fotoana io. Tamin’ny fitsirihana sy ny savahao ny manodidina no nahafantarana fa nisy dahalo iray maty, lavon’ny balan’ny zandary, ary nisy roa hafa naratra ihany kosa saingy afa-nitsoaka. Na dia eo tokoa aza ny paik’ady ataon’ny mpitandro filaminana hisorohana ity fanakanan-dalana eny amin’ny lalam-pirenena dia azo lazaina fa mbola manjaka izany ankehitriny. Saingy ny lafy tsarany fotsiny dia matetika tsy mahatanteraka hatramin’ny farany ny asa ratsy ataony ireo mpanafika. Na izany aza, efa tsy afa-miala amin’ireo mpandeha ny tebitebin-tsaina.

m.L

Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici