Tsy namelan’ny fokonolona raha tsy tapitra ny ain’izy roa lahy, malaza ratsy amin’ny fampihorohoroana sy fandrahonana niampy fanolanana, tao amin’ny Tanàna antsoina hoe Antomangana kaominina Ambohimasina Betafo. EFa amam-bolana izy roa lahy ireo no fantatra, fa manao herisetra amin’ireo tantsaha monina ao Antomangana. Tereny hanao izay tiany ny fianakaviana hidirany ary takiany vola ka raha vao tsy manome dia rahonany ho faty. Ankoatra izay dia mbola hampiharany ny filan-dratsiny ny tovovavy sy vehivavy izay tratrany any an-tsaha. Toy izany hatrany no fanaon’izy roa lahy ireo tao amin’io Tanàna io. Tsy sahy miteny ny tokantrano nidirany noho ny tahotra sy ny fandrahonana. Fianakaviana iray no nanatona fokontany sy nampandre tamin’ny ben’ny Tanàna, fa takian’izy roa lahy vola 2 400 000 ariary sy omby ary kisoa nompiana tao an-trano. Nonome fe-potoana izy roa lahy ka ny zoma no andro nomeny hiverenany. Tsy tonga anefa izy roa, raha tsy ny sabotsy maraina. Tsy nanome izay notadiaviny ilay tokantrano ka avy hatrany dia namoaka famaky izy roa lahy ary nikasa hamono. Niantso vonjy ny tao an-trano ary vetivetivy dia vory ny fokonolona niandry tety amin’ny manodidina. Nikasa handositra ihany izy roa lahy, fa tsy nisy hirika nitsoahana intsony fa voahodidin’ny fokonolona ny toerana. Rotidrotiky ny vono izy roa lahy ; izay niteraka ny fahafatesany. Tonga naka ny razana ny fianakavian’ny maty iray, ary teo no nahalalana, fa olona avy ao amin’ny kaominina mifanila, ao Ambatomainty Inanantonana ny iray, tsy fantatra kosa ny fiavian’ny iray tsy naka ka nalevin’ny fokonolona ny razana.
Andry N.