- Publicité -
dimanche, juillet 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntanetibe-Ikianja : Fanafihana nahafatesana raim-pianakaviana, voasambotra ireo jiolahy

Antanetibe-Ikianja : Fanafihana nahafatesana raim-pianakaviana, voasambotra ireo jiolahy

Nisehoana fanafihana mitam-piadiana niharana vono olona teny amin’iny faritra Antanetibe Ikianja, kaominina Ambohimangakely iny ny voalohan-dohan’ny volana novambra teo. Raim-pianakaviana iray no namoy ny ainy tamin’io fotoana io, vokatr’izay fanafihana izay. Herinandro mahery kely taty aoriana, nahitam-bokany ny fanadihadiana nataon’ireo zandary teny an-toerana. Andian-jiolahy nahatratra 11 be izao mantsy no voasambotr’izy ireo teny Betsizaraina, ny faran’ny herinandro teo. Tao anatin’ny famotorana natao no nahafantarana fa isan’ireo nandray anjara nivantana tamin’ilay fanafihana sy namono ity raim-pianakaviana izy ireo. Ireto andian-jiolahy ireto ihany koa no tompon’antoka tamin’ireo fanafihana mitam-piadiana sy famakiana trano nitranga tany amin’iny faritra iny, tato ho ato. Asa iza ihany koa no mahafantatra, fa ireto ihany no tao ambadik’ilay fanakorontanana tamin’ny alàlan’ny trakta teny an-toerana; izay mbola mampitondra takaitra ireo mponina teny Ambohimangakely sy Ambohimalaza iny ? Raha ny mikasika ity resaka ity hatrany, dia fantatra fa misy sasantsany amin’ireo mponina, indrindra fa any amin’ireo fokontany maro izay niparitahan’ilay taratasy fandrahonana, no mbola tsy miverina ao an-tokantranony noho ny tahotra. Etsy an-danin’izay kosa anefa efa manao ny ainy tsy ho zavatra ireo tompon’andraikitry ny filaminana mampitombo sy tsy mitsahatra andro aman’alina manao fisafoana. « Ny ezaka ataon’ny zandary, dia mbola hahitam-bokany tsaratsara kokoa raha miampy ny fanomezam-baovao avy amin’ny mponina izay anentanana azy ireo hatrany ».  Porofon’izay aloha ny fahatrarana ireto andian-jiolahy ireto teny an-toerana. Ireto farany izay natolotra teny anivon’ny Fampanoavana omaly.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici