Tsy kely lalana tokoa ny ratsy. Lehilahy roa mody hoe hividy fiara no nangalatra izany tetsy amin’ny lalam-baovao tetsy Tsarasaotra-Ivato. Tsy vitan’ny efa nangalatra anefa izy roalahy ireto fa mbola nandrahoana ny tompon’ny fiara ihany koa hoe haka an-keriny ny zanany raha tsy manome volabe an-tapitrisany azy ireo. Nametraka fitoriana avy hatrany moa ilay lasibatra ka tsy ela dia nisy vokany izany.
Ny faran’ny herinandro teo no voasambotra teny 67ha sy Ivato ireto roalahy mpangalatra sy mpaka an-keriny ireto, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy. Ilay fiara nalain’izy ireo kosa dia efa hita teny Ivato andro vitsivitsy talohan’ny nahasamborana azy ireto. Raha ny fanazavàna azo hatrany dia nisy fiara 4×4 mitondra marika Mercedes ML320, hamidy. Nilaza ny hijery sy hividy ity fiara ity ireo olon-dratsy. Raikitra teo ny fifampiresahana ka tapaka fa atao ny fanandramana. Tetsy amin’ny lalam-bavao tetsy Tsarasaotra no nanaovana izany. Rehefa ela teo moa ny ela dia nilaza ilay iraka nitondra ilay fiara fa ampy izay ny andrana fa tokony handeha hody hanao ny fandoavam-bola amin’izay. Teo no nanaovan’ireto roalahy hafetsena ilay iraka nitondra ilay fiara ary lasan’izy roalahy ireo ity farany. Taorian’io no nifandray tamin’ny tompon’ny fiara tamin’ny alalan’ny finday ireto mpangalatra ary raikitra teo ny fandrahonana isan-karazany, izay tonga hatrany amin’ny mety ho fakàa an-keriny ny zanaky ny tompon’ilay fiara. Nandray an-tanana ity raharaha ity avy hatrany ny pôlisy avy amin’ny sampana ady heloka bevava sakelika voalohany tetsy Anosy, ary izao niafara tamin’ny fahatratrarana ireto olon-dratsy ireto. Tovolahy 19 sy 29 taona izy ireo, raha ny fantatra ary niaiky tanteraka ny heloka vitan’izy ireo. Marihana anefa fa tsy izy roalahy ireto ihany no tao ambadik’ity halatra ity fa mbola misy namany ary efa mandeha ny fikarohana azy ireo.
m.L