- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMananjary : Lehilahy iray namono ny raibeny sy ny dadatoany, noho ny...

Mananjary : Lehilahy iray namono ny raibeny sy ny dadatoany, noho ny resaka lova

Noho ny resaka ady tany lova, dia nisehoana vono olona nahatsiravina indray tany amin’ny Distrkan’i Mananjary, ny alakamisy teo, taoAmbohibitaka Fokontany Anivorano any amin’ny Kaominina ambanivohitry Tsiatosika, ka olona roa mpianaka no indray niara-maty tsy tra-drano nokapain’ny zana-drahalahy tamin’ny antsibe lava lela teo amin’ny tendany. Taorian’ny asa ratsiny dia nitsoaka ilay nahavanon-doza, ka nifampitadiavan’ ny Fokonolona eraky ny tanàna tao Analanjavidy, ny zoma tontolo andro. Raha vao nahita ny olona romotry ny hatezerana nikasa hanaova valy faty ny Sefo Fokontany tao an-toerana, dia nampandre haingana ny mpitandro filaminana mba hisorohana ny fitsaram-bahoaka. Noho ny tahotry ny ho faty dia nitolo-tena haingana tany amin’ny Zandary ilay lehilahy namono ny havany, ny harivan’ny zoma teo, tokony ho tamin’ny enina ora. Ny alin’io ihany rehefa natao famotorana lalina izy dia niaiky ny heloka vitany, ary nilaza fa ady tany lova no fototry ny fanomoana. Mba hialana amin’ny hatezeram-bahoaka, dia naiditra am-ponja vonjy maika ao amin’ny fonjaben’i Mananjary, ny naraim-ben’ny asabotsy teo, ity lehilahy namono tamin’ny fomba feo habibiana ny dadatoany sy ny raibeny.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici