Taxi-be iray no nandona ramatoa iray izay nitantana an-janany kely. Ny harivan’ny alahady teo no nodomin’ny taxi-be izy mianaka. Naratra mafy ilay renim-pianakaviana ary teo ihany dia efa hita fa sarotsarotra ny hahavelomany. Nentina teny amin’ny hopitaly avy hatrany mba ho fanavotana ny ainy. Omaly anefa dia fantatra fa namoy ny ainy izy na dia teo aza ny ezaka rehetra nanavotana ny ainy tao amin’ny toeram-pitsaboana. Ilany zanany kely kosa mba tsy naninona. Soa fa notantaniny taty amin’ny tsy mifanandrify ny fiavian’ilay fiara fitaterana, raha tsy izany dia ahiana ho niharan-doza teo koa, raha araka ny fitantaran’ny olona nahita. Ireo loharanom-baovao ireo ihany no nilaza fa misy fofon-toaka ny mpamily sy ny resevera ary saika hanao fihodinana farany izy ireo mba hanampiana ny any am-paosy, kinanjo io nitera-doza io. Etsy andanin’izany, fanindroany izay no nisy loza nitranga izay nahafaty olona teo amin’ilay toerana izay somary misy fiolanana kely, tao anatin’ny volana vitsivitsy izay. Ilay toerana izany sady efa mitera-doza no mbola misy koa ny entin’ny alikaola mitondra fiara dia mainka koa misesy ny akony amin’ny olon-tsotra mpandeha an-tongotra.
D.R