Ny alin’ny 20 may hifoha 21 may teo no nisehoana vaky fasana tao Ampahimanga Arivonimamo. Irony fasana toto-tany irony ity tratry ny fangalarana taolam-paty ity, olona sendra nandalo no nahita ity fasana ity efa voahilika ny tany manototra ka taitra ary nampilaza ny lehiben’ny fokontany sy ny zandary tany an-toerana. Nantsoina avy hatrany ny tompom-pasana sy ny dokotera teo amin’ny CSBII tao an-tanàna mba hijery akaiky ny zavamisy, nilaza ary ny tompom-pasana fa razana 7 no tao anatin’io fasan-drazan-drizareo io fa 2 sisa no tavela ao. Teo anatrehan’izany dia nanao ny fizahana ny manodidina ny zandary ka hita tamin’izany ny karandoha 5 sy ny taola-madinika niparitaka tamin’ny bozaka, fa tsy hita kosa ny taolan-dava tamin’ireo razana 5 ireo. Izay tranga efa mitranga matetika fa ny taolan-dava no tena lasibatr’ireo mpangalatra.
Efa eo am-panaovana ny fanadihadiana ny zandary amin’izao ka hitadiavana izay olona mety ho nanantotosa ity vaky fasana ity.
ALEM