- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversTalatamaty : Vehivay mamo maty voahitsaky ny kamiao

Talatamaty : Vehivay mamo maty voahitsaky ny kamiao

Ny alarobia 21 may teo tany ho any amin’ny enina sy fahefany hariva teo amin’ny RN4 (PK10+500) manoloana ny hotely Carrefour , no voahitsak’irony kamiao lehibe na semi-remorque itony ity ramatoa iray. Avy hatrany dia maty ity ramatoa ity izay voahitsaka teo amin’ny tehezany.

Nikorontana avy hatrany ny teo an-tanàna satria raha ny ora dia ilay fotoana fodian’ny olona tokoa , tonga teny an-toerana moa ny zandary nanao ny fizahana, ka tsy nisy na taratasy iray aza nahafantarana ny momba ity ramatoa ity teny aminy, tamin’izany koa no nahenoana fofon-toaka tamin’ilay ramatoa.Tonga dia nalefa teny amin’ny tranompaty HJRA moa ny razana mba hiandrasana ny havany haka azy. Maromaro tokoa ny tranga mitovy amin’izao tato ho ato ka ilana fitandremana be tokoa ny fifamoivozana .

Ilay mpamily kosa dia notazonina tao amin’ny borigadion’i Talatamaty mba hanaovana ny fanadihadiana .

ALEM

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser