- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversNamontana : Mpamongady rongony voasambotra

Namontana : Mpamongady rongony voasambotra

Lehilahy iray mpivarotra rongony ambongadiny no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny sampana miady amin’ny fidorohana zavamahadomelina, omaly 21 may teny Namontana. Nahazo vaovao ny polisy fa misy lehilahy iray manao io asa io eny an-toerana. Tokony ho tamin’ny 9 ora maraina, notratrarina ilay olona. Rehefa nosavaina izy dia nahitana rongony 2 kilao natao tao anaty sakaosy teny aminy. Tamin’ny fanadihadiana azy dia niaiky ny anao lahy fa io fivarotana rongony io tokoa no asany. Avy any Betroka ireo zavatra amidiny ireo. Misy mandefa taxi-brousse aty Antananarivo. Vidiny 150 000 arairy ny 11 kilao ary avy eo amidiny 600 000 ariary. Am-bolana maro no nivarotany ity zava mahadomelina ity. Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser