- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversBekiraro : Lehilahy nahatrarana sabatra naiditra am-ponja

Bekiraro : Lehilahy nahatrarana sabatra naiditra am-ponja

Tovolahy iray no naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, rehefa natolotra ny Fitsarana, ny Alatsinainy 26 novambra teo. Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra etsy Isotry no nisambotra azy, ny sabotsy 24 oktobra tokony ho tamin’ny 10 ora maraina Nanao fisafoana tao anaty fiara teny amin’ny tetezan’ny bekiraro ireto mpitandro filaminana ireto no nahatsikaritra, fa mampiahiahy ity tovolahy ity. Nosavaina avy hatrany ity farany ka nahitana sabatra na antsy lavalela iray tany aminy. Rehefa nentina natao fanadihadiana teny amin’ny biraon’ny Polisy izy, dia nilaza fa tsy azy io fitaovana  io fa an’olona nomena mba hamidiny. Tsy naharesy lahatra ny Polisy izany ka dia izao izy natolotra ny Fitsarana izao, noho ny fitazonana fitaovam-piadiana sy ara-dalàna.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici