Lehilahy iray sahabo ho 24 taona eo no namono tena niaraka tamin’ny zanany lahikely vao 4 taona monja, afak’omaly naraina, tokony ho tamin’ny valo ora, tao amin’ny Fokontany Ambohiadabo, Kaominina ambanivohitr’Ankofa, Distrikan’i Maroantsetra. Raha ny fanazavana azo, dia nisaraka tamin’ny vadiny efa volana maromaro ity lehilahy ity, ary efa samy manambady izy sy ny vadiny taloha. Taty afara, nangataka hifamerina tamin-dramatoa nisarahany ranamana, nefa tsy nanaiky ilay vehivavy. Tezitra ity raim-pianakaviana ity, ka nentiny niaraka taminy nankany an-tanimbary ity zanany kely 4 taona. Tonga tany, notondrahany lasantsy ny vatany iray manontolo sy ilay zanany ary avy eo nodorany tamin’ny afo, ka samy kila izy mianaka. Raha nahatsikaritra ny afo niredareda ny olona, dia nihazakazaka namono ny afo. Rehefa maty ny afo dia nentin’ny Fokonolona nialana nenina tany amin’ny hopitalin’i Maroantsetra izy mianaka, kanjo teny an-dalana dia samy maty. Raha ny tati-baovao voaray hatrany, dia efa nomanin’ity lehilahy ity izao famonoan-tena izao, satria rehefa nosavain’ny Fokonolona ny trano fonenany, dia nahitana filazana manjo efa voasoratra, ary izy tenany ihany no nanoratra izany. Manoloana an’ity tranga nahavalalanina ny maro, dia efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.
Eric Manitrisa