- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversPolisim-pirenena : Mitohy hatrany ny hetsika fisavana amin’ny alina

Polisim-pirenena : Mitohy hatrany ny hetsika fisavana amin’ny alina

Ny alin’ny 12 may teo no nanohy ny hetsika amin’ny asa fampanarahana ny lalàna ny polisim-pirenena eto amin’ny tanàn’Antananarivo renivohitra. Ny Commissariat central tetsy Tsaralalana sy ny polisy avy ao amin’ny boriborin-tany faha-6 no nanao ny fisavana sy ny fisafoana amin’ny faritra Ambohimanarina. Nanakatona ireo toeram-pivarotana toaka toy ny bar sy ny epi-bar mbola nisokatra tao aorinan’ny tamin’ny 9 ora alina.

Ny zoma 16 mai teo dia efa nisy ny famoriana ireo mpivarotra toaka ireo mba hiomanan’izy ireo, fa hisy ny bemidina hataon’ireo polisy, izay natao tao amin’ny biraon’ny Commune boriborin-tany faha-6 Ambohimanarina.

Nampahalalana azy ireo tamin’izany ny lalàna mifehy ny asa fivarotana zava-pisotro mahamamo sy ny fepetra horaisin’ny polisim-pirenena. Nanara-dalàna avokoa moa ireo mpivaro-toaka teny an-toerana rehefa nipaika ny tamin’ny 9 ora alina, 9 kosa ireo voasambotra noho ny tsy fitondrana karapanondrom-pirenena sy ny fanaovana maloto teny amin’ny arabe, sy ny mampiahiahy ka nentina natao famotorana teny anivon’ ny biraon’ny polisy eny Ambohimanarina.

ALEM

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser