- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Sokatra miisa 70 tra-tehaka

Toliara : Sokatra miisa 70 tra-tehaka

Mbola mitohy foana ny fanondranana sokatra ao an-drenivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana hatramin’izao. Afak’omaly, sokatra miisa 70 (17 lahy sy 53 vavy) no tra-tehaka tao amin’ny biraona kaoperativam-pitaterana nasionaly iray, ao Sanfily Toliara. Nafatratra tao anaty harona lehibe ireto sokabato na pyxis arachnoides izay be mpitady fatratra, saika halefa aty Antananarivo, raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Dreef Atsimo Andrefana. Ny nahagaga ny maro, dia tsy fantatra ny olona nandefa sy handefasana an’ireto biby arovana harem-pirenena tsy roa man-tany ireto, ka notanan’ny Polisy atao famotorana ny mpamilin’ilay taksiborosy saika hanondrana an-tsokotsoko an’ireto sokatra. Ireo biby tratra izay mbola velona daholo, dia naterina any amin’ny « Village de tortue » ao Mangily.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici