- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversHCC : Nisy saika hitoraka « cocktail molotov »

HCC : Nisy saika hitoraka « cocktail molotov »

Nihaodihaody teo amin’ny manodidina ny fitsaràna avo momba ny lalam-panorenana ny roa lahy, hafahafa teo imason’ny mpitandro ny filaminana ny nahita azy ireo. Natsoina mba hanaovana fisavàna taratasy, kinanjo nitsoaka avy hatrany tao anatin’ny alim-ben’ny talata hifoha alarobia teo. Raikitra ny fanenjehana azy ireo ka ny iray no voasambotra, mbola niaraka tamin’ny kitapo teny am-babeny io farany. Natao ary ny fisavàna ka teo no nahitàna « cocktail molotov ». Mazava ho azy fa tsy maintsy nampifandraisina avy hatrany amin’ny asa fanakorontanana izay misy mikasa amin’izao fotoana ny zava-misy ary dia nosamborina avy hatrany ilay tovolahy. Eny amin’ny borigadin’ny zandarimaria izay misahana ny fanadihadiana momba ny raharaha heloka bevava no nentina ilay lehilahy izay ahiana ho mikasa ny hitoraka baomba ny andrim-panjakana etsy Ambohidahy. Ilay namany kosa tsy hita izay nalehany tao anatin’ny haizim-be ary inoana fa hizotra mankany amin’ny fahitàna azy ny fanadihadiana izay efa nandeha omaly tetsy Fiadanana. Isan’ny andrasana amin’ity raharaha ity ny mety ho anaran’ny atidoha nikotrika na koa izay mety ho nanakarama ireo tovolahy ireo. Raha tsiahivina dia nisy ny fandorana fiara teo ivelan’ny Hcc, roa andro talohan’ny namoahan’io andrim-panjakana io ny vokatra ofisialin’ny fifidianana. Raha ny fijerin’ny mpanara-baovao dia endrika fanakorontana hatrany no miseho tato ho ato ary mety ho ny fampitahorana ny mpikamban’ny HCC no tena tanjona. Efa nohamafisina ny fiarovana ny toerana misy io andrim-panjakana io sy ny mpikambana ao anatiny rehefa fantatra ny fisian’ny endrika fanakorontanana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici