- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMandritsara : Patiraon’omby voatapa-tenda

Mandritsara : Patiraon’omby voatapa-tenda

Raim-pianakaviana iray voalaza fa manana omby maherin’ny 1 500  no novonoin’olon-tsy fantatra tamin’ny fomba feno habibiana, tao amin’ny Fokontany Andohajango, Distrikan’i Mandritsara Faritra Sofia, ary nodidian’ny/ireo tsy mataho-tody ohatra ny nandidy vozon’ omby ny vozon’ity rangahy mpanarivo ity. Taitra ny olona teo an-tanàna nahita ny vatana mangatsiaky Mahavaly nihosin-drà tapa-tenda ivelan’ny tranony, ny alarobia naraina teo. Tsy fantatra na noho ny fialonana na tena asan-jiolahy tsotra izao no namonoana an’ity lehilahy mamy hoditra amin’ny mpiara-belona ity. Efa misokatra  ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana, ka ho hita eo ny tohin’ny raharaha. Manoloana ity tranga mahonena niseho nahavalalanina ny maro ity, dia misavorovoro tanteraka ny mponina any an-toerana, ary mitaintaina mafy ny isan-tokantrano, ka mangataka amin’ny mpitondra Fanjakana sy ny mpitandro filaminana ny vahoaka mba hijery manokana sy hitondra vahaolana amin’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana misy nahazo laka tao anatin’ny iray volana.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici