- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy Mascar : Mirongatra ny fanendahana anaty taxi-be

Andravoahangy Mascar : Mirongatra ny fanendahana anaty taxi-be

Ilay vao maraim-be misy ny tsenan’ny tantsaha iny, na amin’ny fotoana mahabe olona, indrindra fa amin’ilay antoandro miantomboka amin’ny 12 ora ka hatramin’ny roa eo ho eo. Amin’ireo fotoana io no tena manao ny ataony ireo totakely eny amin’iny faritra Andravoahangy ambany, mitohy mahazo an’i Mascar iny, amin’ny resaka fanendahana anaty taxibe. Araka ny voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy dia ireo olona mindrana ny zotra H sy 194 no tena ataon’izy ireo lasibatra. Eo anatrehan’ny fitarainan’ireo mponina dia tsy mipetra-potsiny ireo pôlisy avy ao amin’ny kaomisaria misahana iny faritra iny fa manao ny aina tsy ho zavatra amin’ny fihazàna ireto andiana mpanendaka ireto. Afak’omaly ary dia tovolahy roa, 19 sy 24 taona no voasambotr’ireo mpitandro filaminana ireto teo am-panaovana ny asa ratsiny, teny Mascar. « Miaraka izy ireo ka rehefa hita milalao finday ilay olona dia sintoniny ny finday ary mitsoaka any anaty elakelantrano makany Mahavoky. Mascar sy Andravoahangy no toerana fanaovan’izy ireo izany asa ratsiny izany », hoy ny fampitam-baovao. Raha izy roalahy ireto dia efa ho herintaona teo ho eo no nanaovan’izy ireo izany asa ratsiny izany ary finday maromaro ihany no efa lasa. Tsy mifidy araka izany izy ireo fa izay finday hita dia alainy. Tsy maka lavitra moa izy ireo aorian’ny asa ratsiny fa eny amin’ny manodidina eny ihany no hamarotan’ireto totakely izany finday halatra azony izany, ka manodidina ny  enina alina ariary no handefasany ny iray. Efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana izy roalahy ireto ary nadoboka am-pona avy hatrany miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Mila mailo tanteraka araka izany ireo olona mpandeha eny amin’iny faritra iny, fa indrindra ireo anaty fiara fitateram-bahoaka.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici