- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha fakana an-keriny an’i Arman Kamis : Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Emmo-Reg Atsinanana

Raharaha fakana an-keriny an’i Arman Kamis : Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Emmo-Reg Atsinanana

Ny alakamisy 29 novambra no niantso mpanao gazety nanazavan’izy ireo mikasika ilay fanafahana an’i Arman Kamis ny alatsinainy tolakandro teo ny teo anivon’ny Emmo-Reg atsinanana, tarihan’ny Lt-Kly Ranaivoarison Théodule, komandin’ny vondrompielovan’ny zandary atsinanana; izay notrononin’ny Kly Randriamifidy Andry Patrick avy amin’ny tafika sy ny kaomisera Razafindahy Manitra ary ny komandan’ny Fip Rafaliarivo Jules.

Nandritra ny fanazavan’izy ireo no nilazana fa raha natao ny fisamborana ireo polisy sy miaramila momba ity raharaha fakana an-keriny an’i Arman Kamis ity dia tsy misy ifandraisany amin’iny raharaha iny ireto polisy sy miaramila ireto taorian’ny fakana am-bavany azy ireo teo anivon’ny sampan’ny zandary misahana ny heloka be vava misahana ny fanadiadiana ny raharaha. Nolazain’izy ireo ihany koa anefa fa raha misy mpitandro ny filaminana na iza io na iza ka mifaningotra na akaiky na lavitra tamin’ny raharaha fakana an-keriny farany teo iny, dia tsy maintsy ampiharina aminy ny lalana, satria toetra manalabaraka ny mpitandro ny filaminana miaro ny vahoaka sy ny fananany no vitany amin’izay.

Nomarihan’ny Lt-Kly Ranaivoarison Théodule mitarika ny Emmo-Reg Atsinanana fa hatreto izany dia olona roa no tena nohazonina fa hita ny maha-mifaningotra azy ireo tamin’iny fakana an-keriny iny. Ny iray voasambotra tao amin’ilay trano nandritra ny hetsika nataon’ny zandary, ny faharoa kosa tratra tsy lavitra ity trano nisy ny hetsika ihany koa. Ny fanazavana hatrany no nahalalana fa mitatra manerana ny nosy ny fanadihadiana ny raharaha izao. Ny antony, araka ny angom-baovao hafa natao, dia nisy tamin’ireo bala 120 hita tao anatin’ireo tranom-bala 04 tratra no bala avy any Ambositra, araka io angom-baovao manokana io.

Ankoatra izay dia nanazava ilay laharana finday hita nisoratra teo amin’ny rindrina tao amin’ilay trano nanafenana an’i Arman Kamis, fa tsy misy ifandraisany amin’ity raharaha fakana an-keriny ity izany laharana finday izany, satria tsy laharana finday fampiasan’ny olona amin’ny fiantsoana mpitandro ny filaminana ihany no hita teo, fa teo koa ny laharana finday sy fifandraisan-davitra hahazoana miantso mpamonjy voina sy mpitatitra marary ary ny Jirama ihany koa tao amin’ity trano tao Mangarano II P/elle11/47 “Carreau n°07” ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici