Tafaverina an-tanindrazana i Maminirina Jean Eddy raha tsy teto Madagasikara fa tany ivelany nandritra ny taona vitsivitsy izay. Ny alakamisy 29 novambra teo no nanomana ny fitsenana azy makotroka tao amin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy ireo mpanara-dia azy tao anatin’ilay fikambanana MAMI, Malagasy Mifanampy, najorony teto Toamasina. Taorian’izay dia nisy ny fihaonany nataon’ity filohan’ny fikambanana MAMI ity tamin’ireo mpikambana ao aminy. Fihaonana natao tao amin’ny trano fandraisana lanonana “La Famille” Salazamay; ka nandritra izany no nilazany ny antony nialany teto Madagasikara, izay resaka fitsaboana tena noho ny aretina nahazo azy tany ivelany. “Tonga ny fotoana iverenako eto an-tranindrazana izao, ka hitohy ny fanasoavana ny mpiara-belona amin’ny maha-Malagasy Mifanampy ny fikambanana misy antsika”, hoy Maminirina Jean Eddy tamin’ireo olona maro niatrika azy. Nandritra izao fihaonam-be izao koa no nilazan’ity filohan’ny MAMI ity fa ny 01 desambra izao dia hisy ny fihaonam-be sy fiarahana misakafo hifanaovan’ny mpikambana rehetra ao anatin’ity fikambanana ity; izay hatrehan’ireo faritra telo misy ny fikambanana izao dia Toamasina – Menabe – ary Alaotra-Mangoro. Ankoatra izay, na maresaka aza ny resaka politika sy ny fiatrehana ny fihodinana faharoa dia tsy niloa-bava mikasika ny resaka politika mihitsy i Maminirina Jean Eddy nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpikamban’ny MAMI sy nandritra ny fitsenana natao azy teny an-tseranam-piaramanidina Ambalamanasy.
Malala Didier