Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray tetsy Anosibe, ny sabotsy lasa teo. Mpivarotra ambogandiny teny an-toerana indray mantsy no lasibatry ny andian-jiolahy. Vola an-tapitrisany maro no lasan’ireto farany.
Mbola mazava tsara mihitsy ny andro, kanefa dia sahy nanatanteraka ny asa ratsiny ireto mpanafika ireto. Tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany tolakandro teo mantsy no nitranga ity fanafihana ity araka ny fampitam-baovao azo avy eny anivon’ny zandary. « Grossiste » amina kojakoja ilaina andavanandro no nidiran’ireo efa-dahy an-keriny. Araka ny voalaza, dia nitondra basy mahery vaika, toy ny « kalach » ireto farany nanao amboletra tao amin’ilay mpivarotra. Mazava ho azy, teo anatrehan’ny basy narangarangan’ireo olon-dratsy, dia tsy sahy nanohitra na namaly ireo mpanafika, na ireo tompon-trano na ireo mpanjifa mbola tao amin’ilay tsena. Ireo nahita ihany koa avy hatrany dia samy nitsoaka namonjy ny ainy avokoa. Nigalabona tanteraka araka izany ireo olon-dratsy, nandrahona ny tompon’ny tsena hanome ny vola rehetra. Tafakatra any amin’ny dimampolo tapitrisa ariary any ho any araka izany ny vola azon’ireo tamin’io fivarotana io. Vao azon’io volabe io dia nitsoaka avy hatrany izy ireo. Taorian’io vao afaka niantso vonjy sy nampilaza ny mpitandro filaminana ilay voatafika. Ny zandary avy etsy amin’ny borigady Tana Ville no nandray an-tànana avy hatrany ny raharaha, ary nanao izay nikarohana ireo olon-dratsy. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia efa nisy lehilahy iray nosamborina teny an-toerana. Ahiana tanteraka ho mpiray petsapetsa na isan’ireo nandray anjara tamin’ity fanafihana mpivarotra ambongadiny ity mihitsy izy io, hoy hatrany ny vaovao. Efa nentina nofotorana teny Betongolo moa ity farany. Na izany aza mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy nanafika.
m.L