- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversTsiadana : Mpamaky fiara roa lahy sarona niaraka tamin’ny fitaovana

Tsiadana : Mpamaky fiara roa lahy sarona niaraka tamin’ny fitaovana

Azo lazaina fa afa-doza ireo mpanana fiara eny amin’ny faritra Tsiadana sy ny manodidina iny ankehitriny. Fitarainana maro tokoa no tonga eo anivon’ny kaomisarian’ny Filaminam-bahoaka Boriborintany faha-2 etsy Ambohijatovo, noho ny fisian’ireo jiolahy manendaka sy mamaky fiara mijanona amoron-dalana, eny amin’iny toerana iny. Tsy nipetra-potsiny, noho izany, ireo mpitandro ny filaminana, fa manao ny ezaka rehetra mba hamongorana ireo mpanao ratsy, amin’ny alàlan’ny fanaovana fisafoana andro sy alina ireo toerana mafampana rehetra. Nahitam-bokany izany ny zoma alina teo tamin’ny 12 ora alina, raha nifanena tamin’ny lehilahy roa nampiahiahy ireo Polisy nanao fisafoana tao amin’io Fokontany io. Rehefa nosavaina ny entana teny amin’izy ireo, dia nahitana fitaovana maromaro famakiana fiara, toy ny lakile isan-karazany sy hety izay natao tsara afina tao anaty sakaosy. Rehefa nohadihadiana izy ireo, dia niaiky fa tena ampiasaina amin’ny famakiana fiara tokoa ireo fitaovana ireo ary efa fanaon’izy ireo eny amin’iny faritra iny izany asa ratsy izany. Tsy maintsy ho fantatra anio ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana momba azy ireo.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici