- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Jiolahy rain-dahiny maty voatifitry ny polisy

Antsirabe : Jiolahy rain-dahiny maty voatifitry ny polisy

Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy rain-dahiny iray antsoina hoe « Jet Lee » malaza ratsy amin’ny vaky trano nampikaikaika ny mponina teny amin’ny faritra Ambohimena sy ny manodidina.

Efa ela rahateo no nizahan’ny mpitandro filaminana azy, satria saika ahenoana ny anarany matetika ireo vaky trano nisesisesy teto Antsirabe sy ny manodidina.

Havanana amin’ny fitsoahana, fianihana tranon’olona sy tafon-trano ity jiolahy ity ka izay no niantsoana azy Ra Jet Lee. Matetika izy no tafaporitsaka hatrany amin’ireo fanafihana ataony. Toy ity nitranga tao Ambohimena ity, ny sabotsy lasa teo. Jiolahy telo nitondra basy vita gasy no voalaza fa nanafika tokantrano iray, tapitra noraofin’ireo jiolahy avokoa rehefa entana mora bataina sy ny finday rehetra. Nisy niantso vonjy anefa ny olona sasany tany amin’ny efitrano ka vaky nandositra izy telo lahy raha vao naheno ny horakoraka. Araky ny fanazavana nomen’ny lehiben’ny BRSP eto Vakinankaratra omaly alatsinainy, dia nifanena tamin’ny polisy manao fisafoana amin’ny alina izy telo nitsoaka ireo ary avy hatrany dia nitifitra. Raikitra ny fanenjehana ka i Jet Lee nitana basy no narahan’ny polisy akaiky. Toy ny fanaony, mihanika tafo fanitson’olona izy ary eny ambony tafo eny no mitsoaka. Naratra mafy vokatry ny fanitso anefa ny tongony ka ny rà raraka tamin’ny tany no narahan’ny mpanara-dia. Tratra niafina tao an-tokotanin’olona i Jet Lee ary mbola nitifitra ihany araky ny fanazavana. Voatery nitifitra ny polisy ka io nahafaty azy io.

Nentina  teny amin’ny tranom-paty ny razana, taorian’ ny fizahana natao no nahafantarana, fa nahitana bala iray nasisika teo amin’ny sandriny, ody ratsy natao mba tsy ho laitram-bala izy io raha ny fanazavana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici