- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimahitsy : Andian-jatovo manendaka

Ambohimahitsy : Andian-jatovo manendaka

Mitaintaina fatratra ny mponina eny amin’ny faritra Ambohimahitsy amin’izao fotoana izao. Toa miverina indray mantsy ny endaka isan-karazany eny an-toerana raha somary nijanona kely izany volana vitsy lasa izay. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa raha vao maizina ny andro dia misy andin-jatovo manendaka eny an-toerana. Rehefa nozohiana ny taonan’izy ireo dia eo anelanelan’ny 15 taona ka hatramin’ny 25 taona. Miaraka efatra na dimy ry zalahy amin’izany ary izay sendra azy dia vita avokoa. Ireo mpiasa mody hariva sy izay tratra alina no lasibatra amin’izany. Vao tamin’ny herinandro lasa no nisy vehivavy voatsindrona antsy teny. Nirava avy niasa izy io ary ankoatra ny ratra nahazo azy dia lasan-dry zalahy ny poketrany. Tsilian-tsofina tamin’izay no ilazana fa toa nisy valifaty no nahavoa io vehivavy io. Izay fahamarinany tsy fantatra. Efa manao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana eny an-toerana.

Fa momba ity resaka endaka ity hatrany, tsy eny Ambohimahitsy ihany no misy izany fa saika manerana ny faritra na ny kartie rehetra eto an-drenivohitra. Tsy mifidy ora fa raha vao misy irika kely hanaovan’ny sasany an’izany dia tonga izy ireo. Ny vehivavy mandeha irery amin’ny toerana somary mangina no tena mitondra faisana.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser