- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbato-Boeny : Dahalo 1 maty voatifitra

Ambato-Boeny : Dahalo 1 maty voatifitra

Ny 17 may lasa teo no nisy andian’olona mampiahiahy tao amin’ny tanàna iray tao Andranolava. Nisy tamin’ireo fokonolona ary no niantso avy hatrany ny zandary tao an-toerana. Avy hatrany dia nidina nanao ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana ka nisambotra ireto andian’olona ireto. Voasambotra tamin’izany ny jiolahy iray, fa tafaporitsaka kosa ny sasany.Natao avy hatrany moa ny fanadihadiana ity rangahy ity ka nilazany fa 6 izy ireo no mpiaraka, ary avy eny amin’ny faritra Ambohimasina Tsaratanàna no fiaviany. Niaiky koa ny lehilahy fa andian-jiolahy mpanao halatra omby sy fanafihana any amin’ny faritra Tsaratanana sy Maevatanàna iny izy enin-dahy ireto.

Nomeny ny zandary avokoa moa ny anaran’ireto namany tamin’izany, ka anisan’ny nolazainy ny fandehan’ny zavatra hitranga amin’ny alalan’ny fanaovana kabary ataon’ny namany roa lahy ao Ankisatra, ka ny 18 may izany no hatao ary voatondro ho amin’ny 10 ora maraina.

Teo anatrehan’izany dia nino azy ny zandary ka nandray fepetra handeha hidina any an-toerana hanao ny fisamborana ilay 2 lahy. Rehefa nandalo ny reniranon’i Mahajamba anefa dia mody niera hivoaka ilay lehilahy ka najanona ny fiara. Vao nijanona ny fiara dia nanao hazakazaka nitsoaka ity farany. Nanao ny fampitandremana ny hijanonany ny zandary kanefa tsy niraharaha izany ilay jiolahy fa nanohy ny fitsoahany ihany. Tsy maintsy nandray fepetra hitifitra ireto mpitandro ny filaminana, ka lavon’ny bala tamin’izany ity dahalo ity. Natolotra ny havany moa ny razana fa ny fanadihadiana kosa dia mbola mitohy.

ALEM

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser