Tato anatin’ny iray volana, dia nirongatra izay tsy izy ny sinto-mahery ao an-tampon-tanànan’i Belo Tsiribihina. Afak’omaly hariva, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany, ramatoa iray avy nivarotra hamonjy fodiana no lasibatra, ka lasan’ny lehilahy iray ny paoketrany nisy vola sy finday. Niantso vonjy ny voaroba fananana, ka raikitra ny fanenjehana nataon’ny fokonolona an’ity tontakely ity nandritra ny ora maromaro, ary tsy namelan’ny olona raha tsy tratra izy. Rehefa voasambotra ity jiolahy dia niharan’ny daroka sy vono. Taorian’izay dia naterin’ny fokonolona teny amin’ny biraon’ny polisy ity olon-dratsy naratra mafy zara raha nahazaka tena intsony, nefa noho ny ratra mafy nahazo azy, dia naterin’ny mpitandro filaminana teny amin’ny hopitaly izy tamin’ny sivy ora alina, saingy nony tonga teny dia tsy tana ny ainy noho ny fahaverezan-drà be loatra. Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana no nahafantarana, fa anisan’ireo dahalo mpangalatr’omby efa nokarohina nandritra ny volana maromaro ity jiolahy ity, ary ny famantarana manokana hita teny aminy no nahafantarana ny mombamomba azy. Raha araka ny tati-baovao voaray, dia efa ela nanaovan-dratsy nampitondra faisana olona maro ity malaso ity sy ireo namany, ka izao tra-tehaka izao , ary nanamparan’ny fokonolona ny hatezerany izao.
Eric Manitrisa