Niampy iray indray ireo jiolahy, tsy ho afa-manohy intsony ny asa ratsiny nampikaika ny mponin’Itaosy sy ny manodidina iny. Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo mantsy, dia olon-dratsy iray no maty rehefa voatifitry ny pôlisy mpanao fisafoana, teny Andranonahoatra. Iray hafa kosa, naman’ity namoy ny ainy ity no azo sambo-belona.
Miezaka hatrany tokoa ireo pôlisy ary manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fitandroana ny filaminana, indrindra fa eny amin’ireo faritra azo lazaina fa mafana eto an-dRenivohitra ary anisan’izany iny faritra Itaosy iny. Na andro na alina, dia hita mihaodihaody eny foana ireo pôlisy manao fisafoana. Tamin’ity indray mitoraka ity, dia nandritra izany fisafoana izany indrindra no nahitan’izy ireo, roalahy nampiahiahy teo anoloana tranombarotra lehibe iray teny Andranonahoatra. Nampiseho fihetsika hafahafa tokoa izy roa lahy, araka ny fanazavana azo avy amin’ireo mpitandro filaminana, satria dia namoaka baramina ary niezaka fatratra nisokotra ny varavaran’ilay fivarotana. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto mpanao fisafoana ka nanatona azy ireo. Raha vantany vao nahita ilay fiara sy ny pôlisy nanatona azy kosa ireto farany, dia saika hanohitra avy hatrany tamin’ireo fitaovana teny am-pelan-tanany. Voatery nanao tifitra fampitandremana araka izany ireto mpitandro filaminana. Tsy niraharaha izany anefa ny iray, fa ny hanatona hamely ireo pôlisy hatrany. Hany ka voatery niaro tena nitifitra ireto farany. Voa teo amin’ny tongony ilehio ary tsy afaka nanao n’inona intsony. Nahita izany ilay namany ary nitsoaka. Tsy lasa lavitra anefa dia voasambotra. Mbola tratra tany aminy ny fitaovana maromaro famakiana trano toy ny baramina, « pince » ary lakile isan-karazany. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny kaomisaria moa izy ireo, natao fanadihadiana. Ilay namany naratra voatifitra kosa nentina avy hatrany teny amin’ny hôpitaly saingy, angamba noho ny fahaverezan-drà be loatra dia namoy ny ainy nony tonga teny.
m.L