- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Saika hikasi-tànana an-dreniny, novonoiny ho faty ny rainy

Anjozorobe : Saika hikasi-tànana an-dreniny, novonoiny ho faty ny rainy

Ny tendrom-po tokoa tsy mba namana. Tovolahy iray no nosamborin’ny mpitandro filaminana tany amin’iny kaominina Tsarasaotra, distrikan’ Anjozorobe, ny sabotsy lasa teo, noho ny resaka famonoana olona. Ary tsy iza eto ilay olona novonoiny fa ny rainy ihany. Araka ny angom-baovao azo tokoa, dia adin’ny mpivady tsotra no niandohan’izany. Nihanitombo ny fifamaliana ary saika niafara tamin’ny fikasihan-tànana izany. Raha iny handeha hamono an-dramatoa vadiny iny anefa rangahy no niantso vonjy tamin-janany, tovolahy 18 taona ilay reniny mba hiaro azy. Avy hatrany ity farany dia nandray zava-maranitra izay hitany teo, ho fitaovam-piadiana entiny miaro an-dreniny. Ary tsy nisy fisalasalana fa dia natsatony tany amin-drainy. Tampoka tamin’ity rainy izany fihetsika tsy voahevitra nataon-janany izany ka tsy afaka niaro tena ny lehilahy, ary dia niletra teny aminy ilay zava-maranitra. Nandriaka ny rà ary nitarika hatrany amin’ny fahafatesan’ilay raim-pianakaviana. Ireo mpiray vodirindrina nandre ny kiakiaka tao amin’ilay tokantrano no niantso avy hatrany ireo mpitandro filaminana. Tonga tany an-toerana moa  ireto farany ary nisambotra ilay nahavanon-doza sy nitondra izany natao fanadihadiana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici