Nandriaka ny rà ny alahady hariva teo teny amin’iny lalam-pirenena voalohany iny. Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona indray mantsy teny amin’iny faritra Ambatomirahavavy iny, tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany tany ho any. Araka ny fanazavàna azo avy amin’ny zandary dia môtô roa no nifandona teo amin’ny fokontany Ambohidranomanga. Vokany, samy potika ireto kodiaran-droa ireto. Namoy ny ainy kosa ny lehilahy iray, ary olona roa hafa mbola tsy mahatsiaro tena eny amin’ny toeram-pitsaboana, raha ny loharanom-baovao azo hatrany.
Tsy mahagaga ny olona intsony tokoa ny fisian’ireo kodiaran-droa marobe, indrindra fa « scooter » mifamezivezy eny amin’iny lalam-pirenena voalohany iny rehefa alahady hariva. Efa mampikaika ireo mpindrana an’iny ampahan-dàlana iny mihitsy, ary mampitaraina fatratra ireo mponina ny hetraketraka sy ny fisetrasetrana ataon’ny sasantsany amin’izy ireo eny an-dàlana, izay mety hampitera-doza tokoa. Ary dia io nisiana rà mandriaka io indray ny alahady hariva teo. Ny iray, kodiaran-droa, karazan’irony « routière » irony, avy niasa ary handeha hody no nifanehatra tamina môtô « scooter » notaingenana olon-droa handeha hiakatra aty an-drenivohitra. Mafy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta, izay azo heverina fa mety ho samy nandeha mafy na ny andaniny na ny ankilany. Ary samy nipitika teny ambon’ny môtô nentiny izy ireo. Ilay lehilahy avy niasa moa dia namoy ny ainy teo ho no eo. Ireo nitaingina scooter kosa dia naratra mafy sy tsy nahatsiaro tena, raha ny filazan’ireo mpitandro filaminana hatrany. Hatreto, raha ny fanazavàna azo aloha, dia tsy fantatra mazava izay antony tena nampifandona ireo môtô ireto. Ny angom-baovao azo sasany, nilaza fa toa hoe efa mamo ireo olona nitaingina « scooter ». Saingy tsy mbola voamarina izany aloha hatreto hoy ireo mpitandro filaminana. Efa misokatra moa ny fanadihadiana ataon’izy ireo amin’ity lozam-pifamoivoizana ity.
m.L