- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana pôlisy : Naiditra am-ponja vonjimaika ireo 18 mianadahy voarohirohy

Famonoana pôlisy : Naiditra am-ponja vonjimaika ireo 18 mianadahy voarohirohy

Omaly alatsinainy no niakatra teo anivon’ny fampanoavana sy ny mpitsara mpanao famotorana teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, ireo olona miisa 19 mianadahy tafiditra tamin’ilay famonoana polisy tao Ambodihazinina kaominina Ambatoharanana distrikan’i Fenerivo atsinanana. Taorian’ny 10 ora nihainoana azy 19 mianadahy nanomboka tamin’ny 08ora maraina, dia nivoaka ny didy fa miandry fitsarana am-ponja ao Ambalatavoahangy ny 18 mianadahy izay vehivavy ny roa ka ilay vadin’ny nahatonga ny loza nitranga ny iray, raha nohafahana fa nivadika ho vavolombelona kosa ny iray dia ilay zanaky ny filoham-pokontany ao Ambodihazinina. Amin’ny fidiran’ny fitsarana ny volana janoary ny taona ho avy kosa vao hisy indray ny fiakaran’izy 19 mianadahy amin’ny tohin’ny fanadiadiana azy ireo eo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici