- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Mpanao gazety tsy hita popoka, nanomboka ny sabotsy teo

Toamasina : Mpanao gazety tsy hita popoka, nanomboka ny sabotsy teo

Raha ny fanazavana azo, dia ny harivan’ny alakamisy teo no niala tao Toamasina hiakatra ho aty An-drenivohitra  Rtoa Fanja mpanao gazetin’ny onjam-peo Masova ao Toamasina. Nanomboka ny antoandron’ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny  11 ora anefa, dia tsy azon’ny fianakaviany antso tamin’ny findainy intsony ity renim-pianakaviana 42 taona manan-janaka roa ity, ka raikitra ny fikarohana azy tany amin’ireo toby fiantsonan’ny taksiborosy sy hopitaly teto Antananarivo, nefa tsy nahitam-bokany izany hatramin’izao. Noho izany, omaly dia voatery nanao antso fampandrenesana sy nangataka fanampiana amin’ny fitadiavana an’i Maman’ i Fitia (anarana ahafantaran’ny maro azy) ny fianakaviany.

Tratry ny aretina mora very tadidy. Koa raha misy manana vaovao mikasika ny mety ahitana azy, dia antsoy ny 034 67 465 40. Ity renim-pianakaviana ity, raha ny fanazavana azo hatrany, dia manao « T-shirt » mainty sy pataloa mainty ary mitondra « sac à dos » mainty. Araka ny nambaran’ny fianakaviana sy mpiara-miasa aminy ary ny olona akaiky azy sy ireo namany, dia manana olana amin’ny fitadidiana ity namana mpanao gazety ity, ary nisy fotoana telo volana izy tsy afaka niasa noho io aretina  very tadidy mahazo azy io. Raha ny tati-baovao voaray farany, dia voalaza fa nisy nahita tany Fianarantsoa ity renim-pianakaviana ity, raha tokony hitodi-doha ho any Toamasina izy hamonjy ny asany sy ny ankohonany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici