- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMananjary : Naiditra am-ponja vonjimaika ny « Receveur Poste » Antsenavolo

Mananjary : Naiditra am-ponja vonjimaika ny « Receveur Poste » Antsenavolo

Taorian’ny fahavitan’ny ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny EPJ misahana ny raharaha ady heloka bevava momba ny fahaverezam-bola 70 tapitrisa ariary, tao amin’ny biraon’ny Paositra Malagasy Antsenavola, distrikan’i Mananjary, ny alin’ny 26 novambra lasa teo, tokony tamin’ny 11 ora. Ka rehefa avy nandalo Fampanoavana tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tany Mananjary, dia naiditra am-ponja vonjimaika, afak’omaly alina, ny « Receveur Poste » any an-toerana. Nandritra ny fanadihadiana lalina natao an’ity reseveran’ny Paositra ity, hoy ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao famotorana, dia olona maromaro izay tsy mifanaraka taminy tao Antsenavolo no notononiny fa mampiahiahy tamin’ io fahaverezam-bolam-bahoaka io. Raha tsiahivina, dia ny fanalahidin’ny « coffre fort » ihany, izay voalaza fa vaky no nakana ireo volabe. Tsy nisy nitombina na dia iray aza ny zava-boalazany, ka tsy nisy resy lahatra taminy ireo mpanao famotorana (mpitandro filaminana sy ny mpitsara), ka nalefa am-ponja vonjimaika avy hatrany ao Ambalatavoahangy ity « Receveur » voampanga tamin’ny fanodinkodinana volam-panjakana ity, miandry ny fotoam-pitsarana azy.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici