Fantatra izao araka ny vaovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena fa voasambotra ny fiandohan’ny herinandro teo ny enina tamin’ireo dahalo nahafaty zandary kilasy faharoa tao amin’ny kaominina Satrokala, distrikan’Ihosy ny herinandro lasa iny. Azo tamin’izany ihany koa ny fitaovam-piadian’ity zandary ity. Tao amin’ny kaominina Menamaty no nahasamborana ireo jiolahy ireo rehefa narahan-dia nandritra ny andro maromaro. Nisy ny fifandonana tamin’izany ka nahafatesana ny iray tamin’ireo olon-dratsy izay mbola nisy ihany ny tafatsoaka. Tsiahivina fa zandary avy ao amin’ny borigadin’i Mahasoa ity maty teo am-panatanterahana ny asany ity.
T.M.