- Publicité -
samedi, septembre 20, 2025
AccueilFaits-DiversVohiparara Ranomafana : Taksiborosy 4 notafihan’ny 50 lahy nitam-piadiana

Vohiparara Ranomafana : Taksiborosy 4 notafihan’ny 50 lahy nitam-piadiana

Nitrangana fanafihan-dahalo nitam-piadiana mpanakan-dalana indray , tamin’ny RN25, ny alin’ny alarobia hifoha  alakamisy, tokony ho tamin’ny 3ora sy 15 minitra, 2 km miala ao Vohiparara Ranomafana. Araka ny tati-baovao voaray, dia fiara taksiborosy  efatra nanao « caravane », izay niainga avy eto an-dRenivohitra hihazo an’i Manakara no notafihana dahalo 50 lahy. Vokatry ny tifitra  tora-bato, fiara telo no vaky fitaratra sy simba. Hatramin’ny nahatongavan’ireo mpandeha izay voalaza fa tsy nisy naratra tonga tao Manakara, dia mbola tsy nahazoam-baovao kosa hatreto ny mahakasika an’ilay taksiborosy fahefatra voasakana taraiky tany afara.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici