- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversZandary matin’ny dahalo : Natao veloma farany tao amin’ny toby Ratsimandrava

Zandary matin’ny dahalo : Natao veloma farany tao amin’ny toby Ratsimandrava

Notanterahana omaly tao amin’ny Toby Ratsimandrava, ny fanaovam-beloma ho fanomezam-boninahitra farany ireo zandary roa lahy lavo nandritra ny fifanandrinana tamin’ny dahalo, tany amin’ny distrikan’i Maintirano, ny alarobia 12 desambra teo. Nitarika ny lanonana tamin’izany ny Jeneraly, Andrianjanaka Njatoarisoa, Komandin’ny Zandarimariam-pirenena (ZP), ary nanome voninahitra izany fotoana izany ny Jeneraly Randriamanarina Jean Christophe, Sekreteram-panjakana miadidy ny ZP. Nizara roa mazava tsara ny fandaharam-potoana tamin’izany ka ny fanondrotana ny laharam-bononahitr’izy mirahalahy ireo no nanombohana izany. Ny Zandary kilasy voalohany Razafimanjaka Tsilefy Velondraza, dia nakarina ho Zandary kilasy ambony. Ny Zandary kilasy faharoa Ravalosoa Lovatiana Marcellin kosa dia nakarina ho Zandary kilasy voalohany. Ny fizarana faharoa tamin’izao lanonana fanomezam-boninahitra izao kosa dia nitanisana am-pahibemaso ny asa vitan-dratompokolahy isany sy ny tantaram-piainany hatramin’izay nidirany tao amin’ny Zandarimariam-pirenena, izay narahana fanaovam-beloma ara-bakiteny sy nirariana ho azy ireo handry am-piadanana narahana anjomara ho an’ireo nodimandry. Taorian’izay, dia nalefa hihazo ny tany niaviany ny vatana mangatsiakan’izy ireo, dia any Ampanihy ny voalohany, ary any Andaingo-Ambatondrazaka ny faharoa.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici