- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFanakanan-dàlana RN1bis : Voatafika ny « député »-n’i Tsiroanomandidy

Fanakanan-dàlana RN1bis : Voatafika ny « député »-n’i Tsiroanomandidy

Nitrangana fanakanan-dalana indray teny amin’iny RN1 bis, lalana mampitohy an’i Tsiroanomandidy sy Maintirano. Lasibatra tamin’izany ny tandahatra « môtô »,  izay nitondra ny solom-bavambahoakan’i Tsiroanomandidy. Lasan’ireo olon-dratsy kosa ny kodiaran-droa izay nentin’izy ireo.

Ny talata teo no nitrangan’izany tao Boribepoka, ao amin’ny kaominina Fierenana. Araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny zandary, dia avy nanatanteraka famoriam-bahoaka tany Ambaravaranala ity solombavambahoaka ity sy ny ekipany izao lasibatry ny dahalo mpanakan-dalana izao. Andiany maromaro ireto farany, raha ny fanazavana azo hatrany ary nirongo basim-borona. Tsy nisalasala avy hatrany ireto olon-dratsy, raha nahita ireo môtô roa nandalo, fa avy hatrany dia nametraka ny sakan-dalana. Tratry ny tampoka sy ny hery tsy mitovy rahateo ity “depute” ity sy ny olona niaraka taminy ka tsy afa-nanoatra nanoloana ireo olon-dratsy nirongo fiadiana. Fanakan-dalana tsotra ve sa misy ambadika pôlitika ? Tsy fantatra aloha hatreto, fa raha ny fanazavana azo dia nisy olona iray naratra vokatr’ity fanafihana ity. Môtô iray kosa no lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany, « môtô cross » marika Honda. Nitsoaka nianavaratra moa ny lalan’ireo andian-jiolahy rehefa vitan’izy ireo izay nataony. Tetsy andanin’izay kosa, taorian’io fanafihana io, vao afaka niantso vonjy ireo voatafika ka tonga avy hatrany teny an-toerana ireo zandary avy ao Mahatsinjo sy Boribepoka. Niezaka nitondra haingana ilay naratra tany amin’ny hôpitaly tany Tsiroanomandidy. Efa nampandrenesina kosa ireo zandary tany amin’ny faritra manodidina mba hanao savahao sy hiambina ny kizo, izay mety handalovan’ireo olon-dratsy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici