- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversFanaovana sy fampiasana hosoka eto Toamasina : Misy mividy ireo kara-pifidianana tsy nisy...

Fanaovana sy fampiasana hosoka eto Toamasina : Misy mividy ireo kara-pifidianana tsy nisy naka eny amin’ny biraom-pokontany

Misy ireo andian’olona mihevitra ny hanao hosoka goavana amin’izao fihodinana faharoan’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena, hatao ny 19 desambra ho avy izao, raha ny fanambarana nataon’ny rantsa-mangaikan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana Toamasina.

Raha ny fanazavana azo, dia misy andian’olona manarama tonga eny amin’ny biraon’ny fokontany maromaro eto Toamasina, maka sy mividy ireo kara-pifidianana tsy misy maka ankehitriny. Ny angom-baovao no nahalalana, fa vidin’ireto andian’olona misy maniraka ireo 10.000 ariary ireo kara-pifidianana tsy nisy naka sy mihitsoka ary tsy voazara teny amin’ny fokontany ireto. Aorian’izay raha ny fanazavana azo tamin’ny rantsa-mangaikan’ny CENI Toamasina, dia hanamboaran’izy ireo kara-panondro hosoka amin’ny sisiny izy ireo ka omena ireo olona sahy hampiasa izany amin’ny fanomezana vola ireo andian’olona hampiasa izany mandritra ny fifidianana ny 19 desambra ho avy izao. Vokatr’izay dia manao antso avo ny CENI Toamasina, fa voararan’ny lalàna ny fanaovana sy fampiasana hosoka ka hanetsika ireo mpitandro ny filaminana izy ireo hijery ny eny anivon’ny biraom-pokontany sy hanara-maso ireo andian’olona mpanao izao hosoka izao, ary hampihatra avy hatrany ny lalàna, satria tsy azo ekena ny fanakorontanam-pifidianana, sy tsy fanajana ny demokrasia tian’ireto andian’olona ireto hatao izao.

Efa misy olona sy vondron’olona ary antoko voatonontonona amin’izao raharaha izao, raha ny fanazavana azo, izay efa ela no nanomanan’izy ireo izany teto Toamasina, saingy miankina amin’ny fanadihadiana ifotony eny amin’ireo biraom-pokontany ihany no hamaritra izany, raha ny voalazan’ny fanambaran’ny rantsa-mangaikan’ny CENI Toamasina azy ihany, omaly.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici