- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversFaritra Vatovavy-Fitovinana : Ny fanekena ny Dina no hanafoana ny Fitsaram-bahoaka

Faritra Vatovavy-Fitovinana : Ny fanekena ny Dina no hanafoana ny Fitsaram-bahoaka

Faritra isan’nymilamina ary tsy nahitana asan-dahalo maherivaika toy ny amin’izao fotoana izao i Vatovavy-Fitovinany teo aloha. Manolona izay tsy fandriam-pahalemana izay anefa, mirongatra ihany koa ny fitsaram-bahoaka any an-toerana. Mahatisiaro ho tompn’andraikitra mikasika izany dia mitondra ny fijeriny manokana Razafindraofa Jean Brunel, Olombe avy amin’iny Faritrainy sady Minisitry ny Fizahantany ankehitriny. Tsotra ny antony, hoy izy. Manana harena voajanahary betsaka iny toerana iny indrindra eo amin’ny an-kibon’ny tany. Ny mampahahelo anefa dia tsy manara-dalàna ny fitrandrahana izany.  Miteraka olana izany satria rehefa lany vatsy ireo mpitrandraka izay maro ny avy lavitra dia lasa manafika tanàna. Vokany ; manjaka ny tsy fandriampahalemana ka zary miraviravy tanana ny vahoaka tompon-tany. Tsy afaka mamokatra intsony ny olona ary tsy misitraka ihany koa izay mba nohariany. Mamokatra lavanila ihany koa iny faritra iny , saingy rehefa miakatra ny vokatra dia mirongatra ny fanafihana mitam-basy. Maniry,noho izany ity Minisitra ity, mba hisian’ny fandraisana andraikitra avy amin’ny Fitondram-panjakana manomboka aty amin’ny Foibe kahatrany ifotony. Mila mpitondra sahy mandray andraikitra ity Firenena hoy ity Oloben’ny Faritra Vatovavy-Fitovinany ity. Ilaina izany, hoy izy, satria lasa tsy matoky ny Fitondram-panjakana intsony ny vahoaka. Tsy atokisana intsony ny Mpitandro filaminana sy ny Fitsarana ka lasa tsy manaja azy ireo ny vahoaka. Tsy misy intsony ny fanajana eo amin’ny mpitondra sy ny entina, izay isan’ny fototry ny soatoavina malagasy. Manjaka ny fitsaram-bahoaka satria ampiharin’nyolona izany rehefa sahiny ilay heveriny fa nanao ny tsy nety teo amin’ny fiaraha-monina. Ny Fitondrana tsy manaja sy  manaiky ny soatoavina sy ireo ratsana miady amin’ny tsy fandriampahalemana, toy ny  Dina sy ireo fikambanana tanora toy ny Djama eny ambanivohitra. Nefa ireny rafitra ireny ihany no tena manakaiky ny vahoaka ary afaka hampandraisana andraikitra azy ireo hampandriana fahalemana ny tany sy ny Fanjakana.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici