Mitohy ny tsy fahandriampahalemana eto Ambositra. Mihahenjana ny raharaha, tsy manaiky lembenana intsony ny fokonolona, raikitra ny fifandonana sy ny fifanenjehan’ny fokonolona sy ny dahalo amin’ny fokontany maromaro, toy ny zava-nitranga ny asabotsy alina lasa teo, tokony ho tamin’ny 12 ora alina. Tao amin’ny kaominina Ankazoambo, fokontany Ambatomenaloha , mpiralahy no matin’ny dahalo izay saika nitady ny hangalatra ny omby ao tanàna. Fokontany Ambatomenaloha; izay lasibatr’ireo dahalo matetika, nefa mbola tsy nahitana vahaolana avy amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, momba an’io tsy fahandriampahalemana io. Fokontany Tsimitona, omby efatra no lasan’ny dahalo tamin’io asabotsy alina io ihany. Fokontany Ambohibary, dahalo iray no tratran’ny andrimasom-pokonolona raha saika hanao ny asa ratsiny. Fokontany Antanimahalina-Ankeniheny, nahitana fifanenjehana eo amin’ny fokonolona sy ny dahalo. Mihahenjana ny raharaha eto Ambositra, ahiana hivadika ho zava-dratsy ny toe-draharaha amin’ny andro manaraka, tsy andrenesam-peo ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, ka lasa miraviravy tanana ny vahoaka. Herinandro mahery izao, ny mponina eto Ambositra no niainana fanafihana dahalo tsy an-kiato isan’alina eto amin’ny renivohitry ny faritra Amoron’i Mania izay misy ireo sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny miahy ny faritra.
Anastase