Nihosin-drà sahady ny androm-pifidianana omaly maraina tany amin’iny distrika Ankazoabo Atsimo iny. Delegem-pokontany roa, izay marihana fa mpirahalahy no nisy nanafika ary maty voatifitra, raha iny handeha hamonjy ny adidiny amin’ny maha mpikambana ao amina birao fandatsaham-bato azy ireo tany amin’ny kaomina Ambalatsinefo. Teny an-dalana izy izy ireo tamin’io fotoana io, ary niaraka tamin’ny reniny no nosakanana andian’olona, niaraka tamin’ny basy. Tsy am-pisalasalana fa avy hatray dia nitifitra ireto olon-dratsy ary nahavoa azy roalahy, izay maty tsy tra-drano. Tsy nokasihan’izy ireo kosa ilay renim-pianakaviana niaraka taminy. Vitan’ireo mpamono ny asa ratsy nataony dia nitsoaka toy ny tsy teo ireto farany.
Teo anatrehan’izany moa dia nandray ny andraikiny avy hatrany ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana nanao ny fanadihadiana rehetra. Hatreto aloha dia mbola tsy fantatra mazava ny anton’ity fanafihana nahafaty olona ity. Fanafihan-dahalo sa vono olona tsotr’izao ? Raha ny feo mandeha any an-toerana dia hoe lonilony ara-piarahamonina no antony ny famonoana, saingy ny famotorana afaka hamaly izany. Voalaza ihany koa fa efa fantatra ireo namono. Marihana fa tsy dia nisy fiantraikany loatra teo amin’ny fizotry ny fifidianana tany an-toerana ity tranga tsy nampoizina ity, raha ny vaovao hatrany.
m.L