- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAnjiakely : Olona dimy nilatsahan’ny varatra, naratra voarangotra avy

Anjiakely : Olona dimy nilatsahan’ny varatra, naratra voarangotra avy

Olona dimy indray no nilatsahan’ny varatra tao amin’ny fokontany Anjiakely Est, kaominina Ambalajia, disitrkan’i Maevatanàna. Olona dimy mianaka no naratra tamin’izany, saingy tsy nisy ny aina nafoy. Ny herinadro lasa teo, tokony ho tamin’ny 07 ora hariva no nitrangany loza tao Anjiakely Est. Nipetrapetraka tao an-trano izy dimy mianaka, rehefa avy niasa teny an-tsaha, marihina fa avy be ny  orana tamin’io fotoana io, hoy  ny loharanom-baovao voarainay hatrany. Tampoka teo anefa, dia nilatsaka tao an-trano ny varatra ; izay nisafofofo mitondra endrika akoho eran’ny trano, toy ny nitady olona mihitsy. Tsy nijanona ny afo raha tsy voany izy dimy mianaka. Tao anatin’ ny segondra vitsy no nisehoan’izany. Naratra mafy izy dimy mianaka no sady feno dian-drangotra ny tratran’izy ireo sy ny fony. Efa voatsabo tany amin’ny hopitaly kosa izy ireo ary efa salama tsara hatreto.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici