
Alatsinainy faha-17 desambra 2018 sahabo tamin’ny 3 ora maraina, dia nisy dahalo 10 mitondra basy 5 hazo (05 FC) nanafika tao amin’ny FKT Anja sahabo ho 30 km miala eto Manja. Lasan’ireo dahalo tamin’izany ny omby 7 an’ Atoa Rekinda. Niantso Polisy ity farany mba hanampy ny fokonolona mpanara-dia. Rehefa natao ny fanarahan-dia, dia tratra sambo- belona ny iray amin’ireo dahalo ireo.Rehefa tratra io dahalo iray io dia nanonona ireo namany ka nataon’ny polisy ny fisamborana ka tratra koa ny dahalo iray antsoina hoe Regido. Androany talata 18/12/18 maraina rehefa hoentina ety Manja ireo dahalo ireo mba hanohizana ny fanadihadiana, dia teny an-dàlana dia nandositra.Voatery nitifitra ireo Polisy ka maty tsy tra-drano voatifitra ireo dahalo roa ireo.
R.Eugène