Omaly alina tokony ho tamin’ny misasaka alina no tonga tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ilay sambo piraty « Flying » tratra tao avaratr’i Madagasikara. Miisa 15 ny mpanamory sy ny komandan’ny sambo tao anatin’ity « Flying » ity. Raha ny hany fanazavana azo avy amin’ireo tompon’andraikitry ny filaminana eto Toamasina niatrika ny fahatongavan’ity sambo, notronon’ireo solontena avy amin’ny ekipan’ny primatiora sy ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena, dia tsy nahitana na inona na inona ity sambo ity tamin’ny fahatongavany tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina izay nahantsona ao amin’ny “mole B1”. Midika izany, araka ny fanazavana azo ihany, fa eo am-piandrasana ireo harena voajanahary malagasy (andramena) izy izao tratra izao. Ity sambo ity ihany koa ilay efa nifanenjehana nandritra ny hetsika nataon’ny fanjakana saingy tafaporitsaka hatrany. Ho hita eo ny ho tohin’ny raharaha satria efa misokatra ny fanadihadiana amin’izao.
Malala Didier