« Mandry am-bava-basy ny vahoaka eto amin’ny renivohitry ny faritra Amoron’i Mania ankehitriny », hoy ny solombavambahoaka voafidy eto amin’ny distrikan’Ambositra, Zakamady Rakotosolofondraibe, raha niantso ny mpanao gazety, ny alakamisy tolak’andro teo. Nomarihin’ity solombavambahoaka ity, fa tsy mitsahatra mitombo ny tsy fandriam-pahalemana misy eto Ambositra, faritra Amoron’i Mania tato ho ato. Mandeha amin’ny andiany maro (am-polony) ireo jiolahy, betsaka ireo trano vaky, na an-tanan-dehibe na eny ambanivohitra. Maro ny maratra tamin’ireo fokonolona, tsy vitsy ihany koa, no maty, very omby sy fananany isan-karazany. Mijaly ny vahoaka, raha nandry an-diran’antsy teo aloha, ankehitriny, hoy ihany i Zakamady Rakotondraibesolofo, dia mandry am-bava-basy, miraviravy tanana tanteraka eo anoloan’ireo fitaovam-piadiana mahery vaika miparitaka eo am-pelatanan’ireo mpanao ratsy, ary mipararetra toy ny rano an-dravina ny vahoaka. Mahatsapa ity tomponandraikitra ity, fa na dia eo aza izany rehetra izany, dia tsy miraviravy tanana ireo mpitandro ny filaminana, ny polisy sy ny zandary. Toy ireo zandary tamin’ny fahatratrarana ireo basy maro tsy ara-dalàna. Eo koa ny ady aman’aina nataon’ny polisy mifampitifitra amin’ny dahalo tao Ankazoambo, Ambohibary, vao andro vitsivitsy monja izany. Manao antso avo amin’ny ministera ny filaminana anatiny sy ny fiarovana ity olomboafidy ity, mba hanampy olona sy ara-pitaovana ireto zandary sy polisy aty Ambositra ireo, fa mandry am-bavabasy ny vahoaka tsy manan-tsiny ho fiarovana ny ainy sy ny harenany.
Anastase