Raha ny vaoavao voaranay teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena eto Betsiboka omaly. Noresahina manokana ny hetsika ho hita ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna mandritra ny fetin’ny noely sy taom-baovao ho avy izao. Misy ny fepetra horaisina mandritra ny fankalazana izany ka ny mpitandro ny filaminana eo anivon’ny kaompania eto Maevatanàna no hisahana sy hiantoka ny filaminana. Vahoaka mifety am-pilaminana no tanjona, araka ny fanazavana azonay. Nambara fa tsy azo atao ny mitondra zava-maranitra sy mitondra basy ary ny misavorovory eny an-dalàna mandritra ny fety. Voarara ihany koa ny mitondra zava-pisotro mahamamo na zava-mahadomelina ka raha tsy maintsy dia tokony hatao am-piheverana izany, satria ireny fisotroana zava-pisotro misy alikaola ireny ihany no matetika mahatonga ny loza. Nilaza ihany koa izy ireo fa tsy maintsy mitondra karapanondrom-pirenena sy pasipaoro ireo olona mivezivezy eny rehetra eny. Marihina fa hisy ny fandaminana hatao manokana mandritra io fety io.
Ratantely