#- Tanjombato. Lehilahy namono tena, nitsoraka tao Ikopa. Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo dia lehilahy iray manodidina ny efa-polo taona mahery tany ho any no nitsoraka tao amin’ny reniranon’Ikopa, tetsy Tanjombato. Niandry izay nipoirany ireo teny amin’ny manodidina nahatsikaritra ity zava-niseho ity, saingy nilentika ary tsy hita intsony ilay rangahy. Teo vao samy taitra ny olona, fa hay olona namono tena ilay izy. Tamin’io ihany moa dia natsoina ireo tompon’andraikitra ary nisy ny fitadiavana azy. Omaly maraina vao hita ny vatana mangatsiakany ary naterina avy hatrany teny amin’ny tranom-paty tetsy amin’ny hôpitalin’Ampefiloha.
#- Mahitsy. Kôlonely notafihan’ny jiolahy. Ny zoma misasakalina teo dia tokantranona manamboninahitra efa nisotro ronono iray no lasibatry ny jiolahy, tao amin’ny fokontany Antongombato, ao amin’ny kaominina Mahitsy. Efa-dahy ireo olon-dratsy ary samy nitondra basy poleta. Tsy nanaiky hatramin’ny farany izany fanafihana azy izany anefa ity kôlônely ity ka dia sahy nanohitra na tratry ny be no ho ny vitsy aza. Naratra mafy voadaroka ny lehilahy, saingy tsy nahazo n’inona sy tsy nahavita ny asa ratsiny kosa ireo olon-dratsy. Tsy vitan’ireo olon-dratsy ihany koa ny nampiasa ny basy teny an-tanana raha tsy tafavoaka ny tanana izy ireo. Mbola nisy olona iray hafa nifanena tamin’ireo farany moa teny an-dàlana ka dia nodarohan’izy ireo ihany koa. Efa eny amin’ny hôpitaly ary samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa ireto olona naratra ireto. Misokatra kosa ny fanadihadiana.
#-Nosy Be. Lakana rendrika. Lakana misy motera iray no rendrika teo anelanelan’Ankify sy Ambarivato, ny sabotsy antoandro teo, tany amin’iny tapany Avaratry ny Nosy iny. Tsy nisy aina nafoy fa avotra soa aman-tsara avokao ireo olona folo nentin’ity fitaterana an-drano ity. Araka ny fampitam-baovao, dia vedety ho any Ambarivato iray sendra nahita ny loza no namonjy avy hatrany ity lakana tra-doza ity, izay nahavonjy haingana ireo mpandeha. Ny entana rehetra kosa no dobo rano avokoa. Hatreto dia mbola tsy fantatra ny antony nahatonga ny loza.
Nangonin’i m.L