- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025

Tapatapany

#Antaninandro. Fiara nisy nangalatra. Very nisy nangalatra teo amin’ny “parking” teny Antaninandro ny fiara 4L taxi iray ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo.Araka ny filazan’ny tompony, ny sabotsy alina tamin’ny 10 ora, mbola teo ilay izy. Ny maraina anefa nanjavona. Misy mpiambina ilay toerana nefa dia nilaza tsy nahita ny nangalan’ny sasany an’ilay fiara izy io.

# – Sambaina. Bisikileta voadona vaky ny vavan’ilay mpitaingina. Ny asabotsy teo no nisehoana lozam-pifamoivozana tao Sambaina RN2 (PK41+2OO) Manjakandriana. Fiara R 21 izay miasa ao amin’ny sampana mpamonjy voina no nandona bisikileta izay nentin’ ankizy 14 taona, nianjera ilay zaza ka vaky tamin’izany ny vavany.Ilay zaza nianjera kosa, nalefa haingana tany amin’ny hopitaly tao Manjakandriana hanaraka ny fitsaboana sahaza azy ary efa eo am-pelatanan’ny zandary ny raharaha.

# – Andoharanofotsy. Zaza 5 taona voadonan’ny fiara. Tetsy Bongatrara RN7 (PK14+600) no nanapaka tampoka ity zaza 5 taona ka voadonan’ilay fiara Sprinter, fiara avy aty andrenivohitra ho any Ambohijanaka . Tsy dia nandeha mafy ilay fiara ka tsy dia naratra loatra ity zaza ity, efa nalefa notsaboina tany amin’ny CSBII Andoharanofotsy izy.

Nangonin’I Alem/r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser