Ny alin’ny alakamisy 20 desambra teo tokony tamin’ny 11ora alina, dia nisy nanafika ireto mpivady mpivarotra tao amin’ilay tanana antsoina hoe Marofarihy ao Tanambao Nosibe, amin’ny lalam-pirenena faha-5 iny. Raha ny fanazavana azo avy tany an-toerana, dia tonga niaraka tamina fiara Mazda manga ireto jiolahy dimy ; izay nirongo basy PA vita gasy sy famaky roa ary antsy lava roa ihany koa. Tsy mbola niditra avy hatrany izy ireo fa niambina tety ivelany aloha satria fantatra ireto -jiolahy ireo fa mbola niari-tory tamin’ity fahavoazana iray teo an-tanana ny zanak’ireto mpivady mpivarotra ireto tamin’io fotoana io, ka ny fahatongavan’ity tovolahy ity no manamora ny fidiran’izy ireo ny trano, toy izay hamaky izany. Tonga tokoa ny tamin’ny 11ora alina iny, fa tonga niditra ny trano ilay tovolahy ka teo no nanararaotra niditra koa ireto jiolahy, nefa nandritra izany dia tafaporitsaka ilay tovolahy. Noterena hamoaka ny vola ilay ramatoa raha nasaina nihohoka teo ambony fandriana nototofana barika ilay rangahy no mbola nodarohana famaky ka vaky ny lohany. Teo no nahazoan’ireto jiolahy ireto ny vola tao an-trano, iray tapitrisa ariary teo, ary raha vao nahazo izany izy ireo dia nitsoaka nihazo ny lalana mankany Fenerivo Atsinanana iny. Ilay tovolahy tafatsoaka kosa nandritra izany nampandre ireo mpiari-tory tao anatin’ilay fahavoazana ka ireto farany no niantso zandary tao Mahavelona Foulpointe. Raikitra avy hatrany ny fanenjehana teo amin’ny zandary sy ireto jiolahy nitsoaka tamin’ilay Mazda manga. Ny Zoma 21 desambra tokony ho tamin’ny 03ora maraina dia tratran’ny zandary ihany ireto jiolahy izay mihevitra ny hitodidoha hihazo an’i Toamasina, satria fotoana fandehanan’ireo taksibrosy miala vao maraim-be avy ao Fenerivo Atsinanana mihazo an’i Toamasina ny ora tamin’io. Raha nosavaina ny fiara sy ireto jiolahy efatra niampy ny mpamily iray dia nahatrarana basy PA vita gasy 3 sy bala « calibres 12 » miisa 11 ary famaky sy antsy roa avy. Raha vao nahare anefa ireo vahoaka tao Tanambao Nosibe sy tao amin’ilay tanana Marofarihy fa tratra ireto jiolahy, avy hatrany dia nametraka sakana teo amin’ny tetezana ao Tanambao Nosibe, hanakanana azy izy ireo hanaovana fitsaram-bahoaka. Raha nahare izany anefa ny zandary dia niverina nihazo an’i Fenerivo Atsinanana indray ho fiarovana ny ain’ireto jiolahy tratra ireto. Ho hita eo izany ny tohin’izao raharaha fanafihana mitam-basy izao.
Malala Didier