Efa nisaraka ireto mpivady ireto noho ny tsy fifanarahana tao an-tokan-tranon’izy ireo, izay mipetraka any amin’iny kaominina Ranomainty distrikan’ Amparafaravola iny. Niezaka ny namerina rangahy, saingy tsy nanaiky izany ilay ramatoa vadiny. Vokany, niteraka hasarotampiaro teo amin’ity rangahy ity izany fandavan-dramatoa vadiny taloha hifamerina aminy izany. Noheveriny fa efa manana sakaiza hafa ramatoa ka narahiny maso hatrany. Tsy nitsahatra ny nihaodihaody manodidina ny trano fonenan-dramatoa araka izany izy.Tsy nahita mangirana anefa izy ka lasa namorona sain-dratsy hafa , ary dia ilay zazalahy taizan’izy ireo nipetraka tao amin’ity ramatoa ity no nahiahiany ho sakaizam-badiny. Nokendreny tsara ny fotoana harivariva nampangingina ny tao an-tanàna, teo no nohararaotiny nivelesana vy ny hatok’ilay zazalahy. Rehefa izany dia lasa nitsoaka izy fa ilay zazalahy kosa nitsitra teo. Niezaka nitondra azy tany amin’ny hopitaliben’ Ambatondrazaka ireo fianakavian’ilay ramatoa, saingy tsy tratra intsony ny ain’ity voakapoka vy ity fa maty teny an-dàlana. Nihetsika avy hatrany ny polisim-pirenenan’ Amparafaravola notarihin’ny lehiben’izy ireo Rabenarivelo Jean Paul ka voasambotra ihany ilay rangahy nahavanon-doza izay niaiky ny heloka vitany ary efa any am-ponja amin’izao fotoana izao. Tandremo ihany ity hasarotampiaro ity e!
Janus R